Ho an’i Beby, Tratry ny fety dia misaotra sy mankasitraka
@ zavatra rehetra ho an’i Neny Beby be fitiavana !
vendredi 19 mars 2010, à 12:20
Tsy haiko i Beby hoe firy taona
Fa mijery anao manoloana
Dia tsikitsiky lalandava
No manenika ny tava!

Koa amin’izao fetinao izao
Dia indreto izahay namanao
Manatitra ny firarian-tsoa
atolotra eran-tsaina, eram-po
Raiso toy ny voninkazo
Ao am-ponao tsy halazo

Tsy ho an’ny andro anio ihany
No hirarianay izany
Fa ireo andro sisa mbola ho avy
hiarahantsika mianankavy
Ho feno fifaliana , fifankatiavana,
Sy fizarana fahasoavana!

Na eo aza ny elanelan-tany
Izahay aty, ianao any
dia akaikinao izahay
Noho ilay fitia mampiray
k’aza arahana tomany
Izany teninay izany!
Mirary tontolo andro mahafinaritra
Ambany fahasoavan’Andriamanitra!

Noro Mampionona

 dans AMITIE - FIHAVANANA 25868_1390558844759_1255764583_31135639_5456776_n

 

hqhii61p.gif