Archive pour le 20 juillet, 2010

RY AMPITSO !

20 juillet, 2010

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

RY AMPITSO !

Noho ianao, ry ampitso, no antony iadiako…
Ny adiko isan’andro,
Ary iaretako ny mafy izay tsy tiako…
Sy gainan’ny masoandro,
Na ketraka ny aiko…
Na vizana ny saiko…
Mijoro aho tsy mivena na hila ho potraka aza !
Mifofotra, mikiry, mitady izay sahaza !

Fantatrao, ry ampitso, fa henjana ny androany !
Tsy hita hioriranana !
Ny kely mba ananana, vao tonga dia efa lany !
Midify ny eny an-tanana !
Dia miangona ny ankaso…
Mihaditsoka ny maso…
Indraindray aza aho mianjera sy lavo tsotra izao !
Kanefa dia miharina fa tsy manaiky ho lao !

Tsy sanatria, ry ampitso, ‘ty izaho hoe be taraina…
Mampiakatra ny feo !
Fa miezaka mandamina, mitsinjo ny maraina,
Mitraka tsy mba leo !
Fa ady ny eto an-tany !
Tsy vitan’ny tomany !
Ka matoa aho mikofoka ato anatin’ny haizim-pito…
Dia mino aho sy matoky fa hisy ianao…Ry ampitso !

DadaRabe
17/07/10 11 :12

http://dadarabe.blaogy.com/

http://www.freewebs.com/dadarabe

http://mosikagasy.free.fr/ 

 

 

Un nouvel Espoir – Fanantenana vaovao –

20 juillet, 2010

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Piste d’atterrissage aéroport d’Ivato à Antananarivo

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Aéroport d’Ivato à Antananarivo

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Vue sur Mahamasina – le stade – le lac Anosy -

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Vue sur Mahamasina – le lac Anosy – et à l’horizon le Palais de la reine -

39100330191498983258910000042272358711044571366943671n.jpg

Le lac Anosy – Tanà -