Archive pour le 10 août, 2010

NY MASONAO

10 août, 2010

38754124045635082018116647594674417635650n.jpg

NY MASONAO

Ny masonao feno mistery, maha te ahalala,
Sahala an’ireo voninkazom-pitiavana.
Raha sendra ka mifanena aminao !
Manja daholo izao rehetra izao.

Ny masonao lokon’ny masoandro mody,
Mitovy amin’ireo kintana eny ambony.
Ny endrikao sariaka mampy te hanonofy !
Tahaka ny erana eny ambony, tsy takatra akory.

Ny masonao mirana,
No manome ny heriko.
Raha tsy tazako dia very aho !
Na dia fantatro fa tsy ahy aza.

Ny masonao mitovy amin’ireny tantaram-pitiavana,
Hitako ao, ireo tantaran’hasambarana sy fanantenana.
Mampy te hikalo, mampy te hivetso !
Mampy revy fa hoe tia ahy ianao.

Ny masonao no mendrika indrindra,
Raha vao mahita azy aho dia
Milentika daholo ny rehetra !
Ny endrikao no maha babo ahy lalan-dava.

Ny masonao no mitarika ny heriko,
Ny endrikao no masoandron’ireo harivako.
Ianao no nofinofin’ny fiainako !
Ny masonao no felambonin’ny fitiavako.

Tritriva 10/08/10 5:30