FITIA – Tononkalon’i DadaRabe
FITIA
Raha toa aza tsy nisy
Ny teny hoe « fitia »
Dia noforoniko,
Izany ho anao.
Raha sendra ka indrisy !
Mangidy akia ny etỳ !
Dia mamy no angoniko,
Atolotro ho anao.
Raha onja be masiaka
Sy alon-drano mafy,
Dia lakana hitàna
No asosako ho anao.
Raha sendra ka hatsiaka
Sy oram-be mifafy,
Ny foko izay mafana
No hampiatrano anao.
Izany no mba haiko,
Izany anie no aiko,
Ka dia lazaiko anao,
Satria…tiako ianao !
DadaRabe
Aix
18/09/03 18:55