TIAKO HO FANTATRAO !
TIAKO HO FANTATRAO !
Tiako ho fantatrao ny ora fifaliako,
Zaraina aminao ireny faniriako,
Izany ‘zao no nofy mameno ny aty saiko,
Nofinofy maro, mba tiako ka lazaiko!
Dia ny tontolon’ny aiko atolotro anao,
Ho firiavanao, ataonao kilalao,
Eny indray ianao no hidola sy hiria…
Tontolo tena ampy sy ampoka fitia !
Ravaham-boninkazo ny andro fiainanao,
Ho tototra tantely, masoandro vaovao,
Ka ny hasambaranao no hanjary fifaliako…
Ny voninkazonao no hany sisa tiako.
DadaRabe
La Charité sur Loire
30/07/05 12:58
http://www.freewebs.com/dadarabe