TIAVO ANIE !

hebergeur image

TIAVO ANIE !

 

Tiavo anie ‘ty foko mitempo sasa-miandry !

Sy efa tsy tafandry,

Fa lasanao tanteraka, babo an-tsitrapo

Sy tena tia tokoa !

 

Aza avela ho irery ety an-tokontany !

Mitsiriritra hatrany,

Mitazana anao sy ny endrikao masoandro,

Nofisiko isan’andro !

 

Tiavo anie ‘ty aiko maniry toa adala !

Sy efa tsy mahalala,

Afa-tsy ianao, fitiavako indrindra,

Fitiavako mirindra.

 

Aza avela ho very ilay fanantenana !

Henoko mafana

Ao anatiko ao, noho ilay omaly…

Isika… falifaly !

 

Tiavo anie ‘ty izaho, ry hany mba lalaiko !

Sy mamiko ato an-tsaiko,

Fa efa fantatrao… ny tena fifaliako

Sy hany faniriako.

 

Aza hihodinanao fa ndrao ny aiko harary !

Sy ho tsy zarizary.

Raha lavinao ny foko, hangidy ny ampitso…

Ny ho avy maizim-pito !

 

Tiavo anie ‘ty izaho !

 

DadaRabe

La Charité

19/05/05  21:08

http://dadarabe.blaogy.com/

http://www.freewebs.com/dadarabe

http://mosikagasy.free.fr/

hebergeur image