Archive pour le 5 janvier, 2011

TRATRY NY TAONA !

5 janvier, 2011

 

hebergeur image

TRATRY NY TAONA !

Ny irariako ho anao
Dia taona vaovao…
D’ilay nandrasanao
Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !
Ho taona fihatsàrana !
Ho feno fifaliana !
Ho tojo izay iriana !

Hidera ilay Mpahary !
Hikalo ny voahary !
Hiventy ny hosana !
Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !
Ho tsiky sy hafanana !
Ho ambinina harena !
Hahazo izay kendrena !

Hitsinjo ireo mahantra !
Hizara ary hihantra !
Hamita asa soa !
Hitondra mamy koa !

Ny faniriko ho anao
Dia taona vaovao….
Ho tena fahasambarana !
Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

DadaRabe
01/01/11 à 0 :01

http://dadarabe.blaogy.com/

http://www.freewebs.com/dadarabe

http://mosikagasy.free.fr/

 

TRATRY NY TAONA !  dans TONONKALON'I DadaRabehebergeur image