RY VOLANA !
1 mars, 2011RY VOLANA !
Ry volana mirehitra,
Mamiratra aok’izany !
Mazava sy manjelatra,
Mampiakatra vinany.
Rivo-dranomasina
Mitsoka miantsinanana,
Mifono zava-miafina
Sy nofinofy lalina !
Fa any lavitra any
‘Reo havana sy namana,
Izaho an-tsesitany
Noho ny tsy fananana.
Ry volana baliaka
Na irery aza aho aty,
Mahita anao sariaka
Dia ravo…mankafy !
DadaRabe
16/02/11 21h30
http://www.freewebs.com/dadarabe