Archive pour juin, 2011
MON PETIT FILS
9 juin, 2011
Mon petit fils
Depuis qu’il a été conçu par ses parents,
Ce petit être nous entendait sûrement,
Il percevait nos voix au lointain,
Comme dans les profondeurs des fonds marins.
Il nous écoutait dans son silence,
Enregistrait chaque sons et bruissements,
Blotti au creux du ventre maternel,
Attendait patiemment son avènement.
Mon petit fils ! c’est mon trésor,
Il est mon soleil, mon réconfort,
Dès que je le vois, mon coeur chavire,
Je lui donne pleins de câlins et des sourires.
Les heures passées à ses côtés,
Sont des moments de complicités,
Entre sa mamie et son bout de choux,
C’est chansonnettes et gazouillis doux.
Tritriva

IZY NO HERY !
4 juin, 2011
Izy no hery !
Sambatra aho fa misy an’i Jesoa
Ilay mpamonjy, zanak’Andriamanitra
Izy eo foana, rehefa miantso Azy
Raha sendra ka azon’ny famoizam-po sy ory
Tsy harena na voninahitra no homeny
Fa hasambarana ao anaty ny fo sy fanahy
Voky aho rehefa azoko ny mofony
Ny mofo fahatsiarovana ireny fijaliany
Ilay mpamonjy no avo indrindra
Tsy very aho raha mahatsiaro azy
Na dia maditra aza indraindray
I Jesoa mamelaheloka… tsy mandroaka
Tritriva
SAMBATRA TOKOA !
4 juin, 2011
Sambatra tokoa !
Fantatra ! eny fantatra !
Ny hasambaranao.
Fa misy an’ilay silaka,
Any ho any miandry anao
Izy ilay mibanjina indrindra ny volana…
Izy no tompon’ny fonao,
Sy ireo rehetra momba anao any,
Ravoravo ianao manana azy,
Sambatra izy manana anao,
Inona moa no andrasana mihoatra an’izany ?
Ho an’ireo tena mpifankatia,
N’inoninona mitranga,
Eto an-tany diavina,
Ny fitiavan’olon-droa,
Tsy mety ravan’ny rivo-doza.
Tritriva
NY FITIAVANA EFA LASA
4 juin, 2011
Ny fitiavana efa lasa
Samy nandalo teo daholo isika
Iny fitiavana voalohany iny
Tahaka ny paiso tsy mbola masaka
Nefa nalaina sahala ny mioty…
Nisy izay nanandrana iray
Ary koa ireo namerimberina…
Ny ahy iray ihany ny voalohany
Ilay fitiavana tao mbola fahazazana.
Nandeha aingana ny fotoana
Indro f’ efa lehibe sahady
Nifanena tamin’ilay tiana
Ilay vintana, voafidy…
Dia nanorina tokatrano, niara-dia
Izy no nanome fitia
Nahatonga ireo zanaka malala
Vokatry ny fitiavana…
Soa fa mbola eo izy androany
Na dia niova kely ihany
Milamindamina ny fifankatiavana
Rehefa mitombo be ny taona…
Soa ihany koa fa eo ianao
Ry ilay mbola tsy tazako
Nefa fantatro fa tena namako
Olona tsara fanahy, tsara taiza, hatokiako…
Tritriva







