Archive pour le 2 juin, 2011

2 juin, 2011

hebergeur image

AMBARAKO ANAO

2 juin, 2011

hebergeur image

Ambarako anao

Ambarako anao ireo diniky ny foko,
Ambarako anao f’ireo tsikinao,ireo molotrao,
Maha-te hanoroka, mahafeno ny saiko,
Mitondra ny mamy amin’ny fiainako.

Ambarako anao fa ny masonao,
Mitovy amin’ny diavolana, mahababo,
Ambarako anao ry mamiko,
Fa avy amin’izany ireo faniriako.

Ambarako anao ireo vinany,
Tsy azo atao, voarara sy fady,
Ambarako anao, anao irery,
Ireo tsiambaratelo, miafina anaty.

Ambarako anao ireo nofinofiko,
S’izay rehetra mandoboka ny foko,
Ambarako anao fa tiako ianao,
Abitsiko aminao f’ianao no lalaiko.

Ambarako anao f’isaky ny segondra,
Mahatsiaro anao aho ry lala,
Ambarako anao ny fahababoam-poko,
Ny fitiavako anao toy ny adala ry tsy foiko.

Ambarako fa tiako foana ianao,
Isaky ny iray minitra iainako,
Ambarako ny fifaliana  mameno ny foko,
Rehefa iny ianao fa tazako…

Tritriva