Archive pour juin, 2011

FANTARO !

4 juin, 2011

hebergeur image

 

Fantaro !

 

Tsy mampiraharaha

Na mampametraka fanontaniana

Raha i Koto na i Mahefa

No manao be marenina sy jamba

Tsy manahirana na mahagaga

 

Fa raha ianao kosa ry iray iny

No manadino tsy mijery

Dia maha sorena, mamparary

Eny, ry lala, ianao irery

Na de mampijaly

 

Nahoana moa no toy izany

Aleo avela any ny valiny

Fantaro fotsiny fa hilaina

Ny valy soratrao ry tiana

Mahafinaritra, mahasoa

 

Tritriva

FOTOANA MAMY !

4 juin, 2011

<a title= »hebergeur image

Fotoana mamy !

.
Tiako ireo fotoana,

Hiarahako aminy,

Na  kely monja aza,

Dia efa mamy !

 

Falifaly ery ny foko…

Rehefa iny izy fa tazako,

Feno voninkazo sy kalo,

Izay rehetra diaviko !

 

Mahafinaritra ny miaina,

Soa fa misy ianao sombinaina,

Isaorako ny vintana,

Ny lanitra sy kintana…

 

Tritriva

2 juin, 2011

hebergeur image

AMBARAKO ANAO

2 juin, 2011

hebergeur image

Ambarako anao

Ambarako anao ireo diniky ny foko,
Ambarako anao f’ireo tsikinao,ireo molotrao,
Maha-te hanoroka, mahafeno ny saiko,
Mitondra ny mamy amin’ny fiainako.

Ambarako anao fa ny masonao,
Mitovy amin’ny diavolana, mahababo,
Ambarako anao ry mamiko,
Fa avy amin’izany ireo faniriako.

Ambarako anao ireo vinany,
Tsy azo atao, voarara sy fady,
Ambarako anao, anao irery,
Ireo tsiambaratelo, miafina anaty.

Ambarako anao ireo nofinofiko,
S’izay rehetra mandoboka ny foko,
Ambarako anao fa tiako ianao,
Abitsiko aminao f’ianao no lalaiko.

Ambarako anao f’isaky ny segondra,
Mahatsiaro anao aho ry lala,
Ambarako anao ny fahababoam-poko,
Ny fitiavako anao toy ny adala ry tsy foiko.

Ambarako fa tiako foana ianao,
Isaky ny iray minitra iainako,
Ambarako ny fifaliana  mameno ny foko,
Rehefa iny ianao fa tazako…

Tritriva

12