NY FINAMANANTSIKA !
Nivavaka aho androany…
Ho an’ny finamanantsika,
Enga haharitra hatrany!
Enga anie tsy hangatsiaka !
Mba hahita ny ampitso;
Mba handresy fahavalo;
Mba hiroso tsy ho diso;
Mba tsy ho kivy na himalo.
Mba hioty faniriana;
Mba hisangy zava-tiana;
Mba ho lavi-pahoriana;
Mba ho tojo fifaliana.
Mba ho feno koa tantely;
Mba ho ampoky ny mamy ;
Mba ho lavitra ny fery;
Mba hamiratra aok’izany.
Nivavaka aho androany….
DadaRabe