MISAOTRA ANAO RY DADA !
16 juin, 2012MISAOTRA ANAO RY DADA !
Misaotra anao ry dada !
Nanoro izay sahaza,
Nampianatra nitady
Sy ho ampy lazon’ady.
Nibaby ireny mafy,
Tsy nihontsona nihafy,
Fa dia niroso foana,
Nandritra ireo fotoana…
Na alina mangina,
Na sendra fahoriana,
Dia nijoro hatrany…
Ianao fa tsy tomany !
Ireny no fianarana,
Nihanihanay fiakarana,
Nifohazana maraina,
Sy nentina niaina !
Misaotra anao ry dada !
Ka eto aho miarahaba !
Homba anao ny lanitra…
Sy ny herin’Andriamanitra !
DadaRabe
18/06/11
http://www.facebook.com/dadarabe