MISAOTRA ANAO RY DADA !

MISAOTRA ANAO RY DADA !

 

Misaotra anao ry dada !

Nanoro izay sahaza,

Nampianatra nitady

Sy ho ampy lazon’ady.

 

Nibaby ireny mafy,

Tsy nihontsona nihafy,

Fa dia niroso foana,

Nandritra ireo fotoana…

 

Na alina mangina,

Na sendra fahoriana,

Dia nijoro hatrany…

Ianao fa tsy tomany !

 

Ireny no fianarana,

Nihanihanay fiakarana,

Nifohazana maraina,

Sy nentina niaina !

 

Misaotra anao ry dada !

Ka eto aho miarahaba !

Homba anao ny lanitra…

Sy ny herin’Andriamanitra !

 

DadaRabe

18/06/11

http://www.facebook.com/dadarabe

 

MISAOTRA ANAO RY DADA ! dans TONONKALON'I DadaRabe fetepere1mj4-300x166