Archive pour septembre, 2012
NY AHY NY FANIRIAKO
9 septembre, 2012
NY AHY NY FANIRIAKO
Ny ahy ny faniriako,
Fitiavana haharitra hatramin’ny ela indrindra,
Izany anie no tiako !
Fitiavana milamina ary koa mirindra.
Ny ahy ny nofinofiko,
Fitiavana mireda toa afo joalajoala !
Ka ny ho henoin’ny sofiko
Dia teny mamy foana avy aminao malala !
Ny ahy ny androm-pianako
Dia satriko ho anao, atolotro amin’ny fo
Raha misy fitarainako ?
Any aminao ihany…Ianao tokoa tokoa !
Ny ahy ny andrandraiko
Dia ny hisian’izany, hitoetra hatrany hatrany !
Ho faly aho sombinaiko !
Satria eo ianao, na faly aho na tomany !
DadaRabe
24/09/12




