Nofy …
29 octobre, 2012Nofy
Torimaso mamy iray anivon’alin’ny ririnina
No nitondran’ny nofiko ahy, hanoloana anao rahavako.
Nasehony ahy teo ianao, hotsinapa sy fihinina
Nanamparako fijery mbola mandon’ny fitiavako.
Tsisy teny re akory: gina, sina ny tontolo
Afa-tsy ny tsikinao malefadefaka fiantefa
nanala tahotra ny foko sy namelombelom-bolo
ilay fitiavako efa resy, folaka nirefarefa…
Fihina tsy hay lazaina, mamy noho ny mamy indrindra.
Toy ny taho ladinin-daingo: rafitra mitovy rindra,
no nifamihinantsika nampijoro ny nikoa…
Minitra tiana ho doria, vakin’andro tian-ko taona,
Tsimoka nirin-ko taho hamela-panja lohataona…
Kanjo, hay dia nofy ihany… Nofy mamy tsy ho lo.
Rado (15.7.55)
Dinitra p 22