Archive pour octobre, 2012

ANGOLAIKO !

1 octobre, 2012

 

ANGOLAIKO !

Angolaiko mora ny tsikinao sariaka,
Mazava, manjopiaka !
Tarafiko eo ny ampitso sy ny andro lohataona,
Baliaka eo anoloana,
Fa ny tsikinao no indro efa fanilo
Ka entiko mitsilo !

Angolaiko ery ny masonao mijery,
Toa feno mistery !
Mitaratra ao am-poko, toa mahatorana ahy,
Mambabo ny fanahy !
Fa ny masonao no indro efa hijereko…
…Ny fiainana ekeko.

Angolaiko an-tsento ny feonao miteny
Tantely mamy ireny !
Manàko anatiko any toy ny hiran-danitra
Sy voninkazo manitra,
Fa ny feonao no indro efa lalaiko,
Mameno ny aty saiko !

Angolaiko hatrany ilay fitiavanao
Izay tsy mba mankalao,
Izany no ekeko ho izao tontolo izao,
Masoandroko hatrizao !
Fa ny fitiavanao no efa eken’ny aiko
Oh ! Tena angolaiko !

DadaRabe
15/09/12

1234