TIA ANAO AMIN’IZAO …

TIA ANAO AMIN’IZAO …

 

Tsy ho fantatrao akory, tsy ho azonao vinany

fa tonokira ho anao ‘ty soratako eto ity …

Tsy ho hitanao ny halemeko indrindra ‘zany izaho tomany :

Naka endri-tsangisangy tamintsika ny fitia …

 

Eny, ho’aho ry tokako, ry mpanakopakopaka elatra,

tsy omby anao ny habakabaka na ny akany ho an’ny roa !

Satrinao ianao mahita ny hahafahanao mivelatra

sy hanaranana tanteraka, hanala liana anao fo.

 

Tofoka aho ? Sanatria … Tia ka manara-dia !

Tia anao manidintsidina, mankasarotra fitia …

Tia anao mby amin’izany ka tsy valaka manjohy …

 

Tia anao mahalala ny aretiko am-panahy,

Nefa dia minia tsotra manadaladala ahy.

Mahalala fa ny tia dia tsy afaka mamoy …

 

DOX