Izy irery !
Izy irery no malalany
Ilay tokana safidiny
Notolorany ny fitiavany
Izy irery no hilazany
Ny tsiambaratelony
Izay ao anatin’ny fony sy fanahiny
Izy ilay miara-dia aminy
Mijara ny ngidy sy ny mamy
Ary koa mibaby ny zanany
Izy no silaky ny ainy
Sy tsy atakalony
Izany hono ka ambarany
Tritriva