HO FAHATSIAROVANA (Zoma masina – 29 martsa 2013)

HO FAHATSIAROVANA
(Zoma masina – 29 martsa 2013)

Ho fahatsiarovana ilay rà izay nalatsak’
Ireo zanaky ny maizina, devoly sy satana…
Maty ny Tompontsika, dia Izy no mpanafaka
Ny olona voafatotry ny gejam-pahotana !

Ho fahatsiarovana ireo gasy novonoin’
Ireo olona tsy vanona sy tsy mataho-tody,
Ka simba zary rava, ity tany nolotoin’
Ireo mpanjanaka, fangeroka sy varo-tsy mifody !

DadaRabe
28/03/13 21:36

HO FAHATSIAROVANA (Zoma masina - 29 martsa 2013) dans TONONKALON'I DadaRabe paques-religieux-51