TETEZAMIHITATRA ! (2)
31 juillet, 2013
TETEZAMIHITATRA ! (2)
Mihitatra,
Mihisatra,
Tsy mikisaka,
Drodroka mafy aho sy tena vizaka !
Tetezana,
An-tevana,
Mitsingevana,
Manantona akaiky rafahaverezana !
Hiampita ?
Tsy hita,
Tsy misy vita !
Maty aho radada fa tsy ho tafita !
Loza !
Kitoza
No mitaroza !
Mafy an’izany voakaiki-poza !
Saosy
An-tsakaosy
Fa tsy mibôsy,
Misinto-mahery, mangarom-paosy
Vonjeo !
Tena leo
Ary mitoreo !
Mifohaza fa atambo izy ity ‘zareo !
DadaRabe
04/03/13 23:00






