ZANAHARY O ! AMPIO !
24 octobre, 2013
ZANAHARY O ! AMPIO !
Zanahary ô ! Ampio !
Tsy ho semban’ny tadio
Ny ho avin’ity taninay…
Fa ho sambatra am’izay !
Ka ho adino ireny lasa
Izay nangidy sy nandratra
Sy namela koa takaitra,
Toy ny vahoana mafaitra !
Zanahary ô ! Jereo !
Fa tomany sy toreo
Ity nosin-drazanay,
Tojo voina mahamay !
Arovy amin’ny fahavalo
Dia ireo loza mihalohalo :
“Fitiavam-bola sy harena”
Izay mpambotry firenena,
“Fitiavan-tena tafahoatra”
Toy ny aretina mitroatra
Sy “fitiavam-boninahitra”
Mahatonga ireny halatra !
Ny “setrasetran’ny vahiny”
Mandroba ny rehetra tiany…
Sy ny “ankason’ireo havana”
Mpamadika ity tanindrazana !
Zanahary ô ! Tahio !
Miantso Anao izahay anio !
Aleo mba hiadana amin’izay…
‘Lay Madagasikaranay !
DadaRabe
23/10/13 23:10