Tsy hitarainako !
28 octobre, 2013
Tsy hitarainako !
Tsy hitarainako ry Raiko
Izay mahory ny fiainako
Fa be mihoatra izany
Ny ory manodidina ahy
Misy ireo tsy manan’tafo
Sy tsy manana sakafo
Na dia mifoha maraim-be
Hangataka eny an-dalambe
Ny ankizy toa tsisy akanjo
Ary tsy mba afaka mandro
Zoky mitaiza zandry
Ka tsy mankany sekoly
Misy ireo tsy salama
Tsy mahita dokotera
Ny fanafody lafo be
Raha toa mba hita maso re
Hiangaviako ianao ry Raiko
Tsinjovy izy ireo
Aza avela ho very
Fa mba tsilovy ny fiainany