Archive pour octobre, 2013

Derniers instants de ces feuilles encore sur la branche, bientôt elles recouvriront le sol … et de disparaître !

22 octobre, 2013

Derniers instants de ces feuilles encore sur la branche, bientôt elles recouvriront le sol ... et de disparaître !  dans AUTOMNE besace20automne201-300x199

Automne d’enfant

22 octobre, 2013

Automne d'enfant dans AUTOMNE automne-300x300

 

 

AMPIANARO !

4 octobre, 2013

 

AMPIANARO !

 

Andriamanitra ô !

 

Ampianaro aho ! hifikitra aminao,

Tsy hitoky tena loatra, tsy ho be lalao,

Mba hihaino tsara ny tena anatrao,

Sy ireo lalàna mahasaro-piaro anao.

 

Ampianaro aho ! hahay hanetry tena,

Tsy hieboebo na hampiranty harena,

Tsy hirehareha na hampidera sandry,

Tsy hisetrasetra hanitsaka ‘reo zandry.

 

Ampianaro aho ! tsy hitsiriritra,

Na haka ny tsy ahiko, haniry tsy ho ritra,

Fa hanaiky hihonona, tsy hanitatra ny saiko,

K’izay nomenao ihany, d’ireny no lalaiko.

 

Ampianaro aho ! mba tsy ho tia tena,

F’izay natolotrao tsy foiko mba nomena,

Giazako tsy hivotsotra, tazoniko ho ahy,

Mba toroy lalana aho fa loza anie ry Ray !

 

Ampianaro aho ! hahay hisaotra koa,

Ny ratsy sy ny soa ho raisiko avokoa,

Dia hanaiky hifona rehefa mba migafy

Miteniteny foana, fa hoe krizy mafy !

 

Andriamanitra ô !

 

DadaRabe

Aix-en-Provence

07/05/03 15 :30

http://dadarabe.blaogy.com/post/588/3511

SATRIKO ANIE RETSY !

4 octobre, 2013

 

SATRIKO ANIE RETSY !

 

Satriko aza retsy tsy hisy ny ririnina

Ka ahi-maitso foana no hitako banjinina,

Ka lanitra madio sy manga aok’izany

Sy voninkazo meva mamelana hatrany !

 

Satriko anie retsy tsy hisy ny hirifiry,

Tsy hisy alahelo misisika mikiry

Fa fifaliana hatrany no hifampizarana,

Dia andro lohataona mpitondra hafanana !

 

Satriko anie retsy hitohy ny fararano,

Hitobaka ny vokatra, ho feno ny ato an-trano

Ka indro taona zina tsy misy fanahiana,

Ny androntsika ety fa ampy fifaliana.

 

Satriko ihany retsy…kanefa ny eto an-tany,

Tantely sy ny vahona no mifandimby hatrany,

Ka aza dia tomany sy latsa-dranomaso…

Ry tiako sy fitiavako ! mandalo anie ny ankaso !

 

DadaRabe

https://www.facebook.com/dadarabe

12