Archive pour mars, 2014
TOY IRENY IANAO !
8 mars, 2014
TOY IRENY IANAO !
Toy ny loharano boiboika an-tany hay,
Toy ny hafanana mameno ny aty lay,
Toy ny fahazavana mitsilo anaty alina,
Toy ny fahagagana mahalasa saina lalina !
Toy ny voron-kely mikalo fihobiana,
Toy ny anjely mandrotsa-pitahiana,
Toy ny lohataona, masoandro fifaliana,
Toy ny fararano sy andron-taona zina.
Toy ny tononkalo mandrotsy ati-fanahy,
Toy ny hira am-po mandrisika ho sahy,
Toy ny tantely mizara fahamamiana,
Toy ny fanafody manala fanaviana.
Toy ny lova soa napetraky ny ela,
Toy ny ampitso mamy hiandrasana harena,
Toy ny rova miorina an-tendrombohitr’avo,
Toy ny arofanina fiarovana tsy ho lavo.
Toy ny rotsak’orana mamonto ny tontolo,
Toy ny afon’ampombo sy rehitra mololo,
Toy ny taratr’andro mpamelombelon’aina,
Toy ny fanantenana…mpitondra ny maraina !
Toy ireny ianao !
DadaRabe
12/12/10 19 :46
TSY MANADINO !
8 mars, 2014
TSY MANADINO !
Aza manahy ianao f’izaho anie mahatsiaro
Ireo andro lasa maro
Niarahana nidola nitety ireny havoana,
Niliba tafahaona…
Kanefa dia nidify,
Nanjary toa tsy nisy !
Aoka ianao tsy ho kivy fa fiainana izany !
Lalàna eto an-tany !
Misy andro soa iarahana toa afo manazava
Ka mahamiran-tava…
Dia mihelina satria…
Angamba tsy doria !
Ilaozy ireny aloka, alahelo na tomany
Na ny hafa toy izany !
Venteso sy ifalio toa hira nandihizana,
Tsy nety notohizana
Fa kalo indray ririnina
Dia lasa tsy hay fihinina !
Tsarovy fotsiny ihany f’izaho tsy manadino !
Na dia efa tsy mino…
Hoe hisy ilay fotoana hihaonana indray andro
Hampihiratra masoandro
Eo amintsika roa
Fa lasa tsy hifoha…
Tantara efa taloha !
DadaRabe
01/09/10 11 :19