TSY MANADINO !
TSY MANADINO !
Aza manahy ianao f’izaho anie mahatsiaro
Ireo andro lasa maro
Niarahana nidola nitety ireny havoana,
Niliba tafahaona…
Kanefa dia nidify,
Nanjary toa tsy nisy !
Aoka ianao tsy ho kivy fa fiainana izany !
Lalàna eto an-tany !
Misy andro soa iarahana toa afo manazava
Ka mahamiran-tava…
Dia mihelina satria…
Angamba tsy doria !
Ilaozy ireny aloka, alahelo na tomany
Na ny hafa toy izany !
Venteso sy ifalio toa hira nandihizana,
Tsy nety notohizana
Fa kalo indray ririnina
Dia lasa tsy hay fihinina !
Tsarovy fotsiny ihany f’izaho tsy manadino !
Na dia efa tsy mino…
Hoe hisy ilay fotoana hihaonana indray andro
Hampihiratra masoandro
Eo amintsika roa
Fa lasa tsy hifoha…
Tantara efa taloha !
DadaRabe
01/09/10 11 :19