TSY HAY HADINOINA …

TSY HAY HADINOINA …

 

Iny olona iny manko ka vahiny tamin’ny fiainako

nefa naka ny fisainako …

Lasa izany ary indrisy tsisy haiko hadinoina

nefa tsy azoko antsoina …

 

‘Lay endriny sariaka nobanjiniko elaela

dia ao am-poko no tavela …

mialoalo ao madio, toy ny felana mangarana,

nefa nofy tsy ifaharana !

 

Tiako loatra ny hahita fanindroany ‘ty endrika,

tsy ho nofy maharendrika

fa ho tena izy marina, hahazoa-mifaly indray

na dia hoe segondra iray …

 

DOX (ao anatin’ny boky DINDONA FITIA)