MIARAKA ETO ISIKA

 

MIARAKA ETO ISIKA

 

Miaraka eto isika,

Miaraka mitafa, tsy mety mangatsiaka,

Miventy tsy an-kimalo

Sy miaraka manofy, mandefa tononkalo…

Sary indray mipiaka,

Hifanomezantsika.

 

Tsy fantatro ianao,

Kanefa toa iray ! Tsy fantatrao aho…

Fa ny hery mampiray

Dia tononkalo am-po mireda sy mamay,

Manoratra atoandro,

Dia manariva andro.

 

Misy ireo mpandalo,

Misy mpankafy, mpamaky tononkalo,

Misy feno tsiky,

Misy poetika sy ny hafa tsy ho tanisa…

Dia miaraka daholo,

Miara-mikolokolo.

 

Dia fifaliana hatrany,

Indraindray anefa…misy mitomany

Ranomaso kely

Tsy misy mpahalala, mirotsaka irery…

Fiainana izany,

Tantara tsy ho lany.

 

Ho avy ny fotoana !

Samy ho lasa isika, tsy afaka hihaona,

Tsiahy no sisa am-po

Napetrak’ireo kalo, kanefa androany aloha…

…Dia Miaraka eto isika,

Tsy misy mangatsiaka.

 

DadaRabe

St Pierre et Miquelon.

20/07/07 10:28 (SPM hour)