Fitiavana
30 septembre, 2014Be ny zavatra ato an-tsaiko
Ref’injay ahita anao
Satry foana re ry aiko
Ho tantaraina aminao …
… Saingy indrisy re rahavako
Fa voafatotra ny vavako
Nahoana re no tsy voalazako ?
Feno angamba ny fitiavako
Ka oroka mangina ihany
Sisa nilazako izany !
RADO (Georges Andriamanantena)



