Tenin-drazana
23 novembre, 2014Tenin-drazana
Raha mbola ao Ianao
Ka manana ny hasinao
Ary ho teneninay…
Ry teninay, tsy foana ‘zahay !
Teny andrandraina Ianao
Amin’izao tontolo izao.
Tsy firy no fiteny ambara
Ho tahaka anao ka manan-jara.
Tena endrikay tokoa,
Mamy imolotra sy am-po,
Mahalaza ny holazaina.
Efa folaky ny Razana
Ho teny tena ahombiazana,
Teny tena manana aina…
DOX



