NA INON-KIDONA (Boky Hatramin’ny nahalalako anao)

 

NA INON-KIDONA (Boky Hatramin’ny nahalalako anao)

 

Raha rava ny trano fa sendra tadio

Nahoana no kivy ?

Raha toa latsak’orana izany andro anio

Ka tena mangidy!

Manàna herin-tsaina!

Fa aza taraina!

 

Raha sendra ka lavo, solafak’an-dalana,

Aza mora taitra!

Raha rodana mantsy ‘lay hany fananana

Ka hila tsy ho laitra,

Toneo ‘zany fo!

Hatrakao ny loha!

 

Raha toa ka mivadika ilay olon-tiana

Ka zary fahavalo,

Eny, na tsy misy intsony hiantsampiana,

Nahoana no himalo?

Mitsangàna foana !

Manàna finoana!

 

Eny, na inon-kidona amin’ny tena,

Ka hila hampivena,

Na rava sy potika aza ‘reo harena,

Ka toa tsy hay jerena,

Miarena avy hatrany!

Fa aza tomany!

 

DadaRabe

Ambatovinaky (27/04/94)

(Boky Hatramin’ny nahalalako anao)