Archive pour mai, 2015
Bonne Fête !
30 mai, 2015Vavaka ho an’i Neny (Tononkira)
30 mai, 2015Vavaka ho an’i Neny (Tononkira)
Hotahiana anie i Neny
’Zay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana
Dia i Neny izay nanoro
Sy nampianatra nivavaka
No angatahiko amin’ny Ray
Ny fitahiana tena miavaka
Refrain :
Ny tànanao nanambitamby
Lamosinao nibaby
Ny tratranao fiondànana
Nahitako fiadanana
Ho tahiana anie ry Neny,
Ireny rehetra rehetra ireny
Hivavahako mihitsy
Ny any ambony mba hitahy
’Reo molotrao ’zay efa zatra mitsiky
Sy manoroka ahy
Mbola hotahiana koa
’Reo masonao manganohano
Rehefa misy alahelo
Dia toy ny dobo feno rano
Refrain…..
Angatahiko mihitsy
Mba ho re hatrany an-danitra any
Ny ahavelomanao ry Neny
Mba hateza sy haharitra
Satria raha eo ianao, fihantana fitosiana
Fa ny kamboty mbola kely moa
no tena fara-fahoriana.
Naly Rakotofiringa
Lavaka
27 mai, 2015
Lavaka
Maraina sy hariva, mandalo,
Eny sisinabo be lavaka, lavaka, lavaka,
sady feno fako, no maimbo, maimbo, maimbo,
Maharikoriko, mahalasa saina.
Fa nahoana re, no efa elabe,
No tsy misy fihovana eto an-tanàna ?
Ny ankizy sy olon-dehibe,
Dia eny no mandeha.
Nefa mety ahita loza,
Raha toa ka latsaka ao,
Ts’isy hamonjy, hitsabo,
Fa samy sahirana amin’ny atao.
Ary ireo tompon’andraikitra,
Voafidy anao ny adidiny,
Toa lasa jamba, mody tsy mahare,
Raha misy fitarainana avy eny an-dalambe.
Tsy misy hono ny vola,
Anamboarana ny simba,
Nefa ry zareo, mirehareha,
ao anaty fiara lafo be.
Tritriva