Archive pour juin, 2015
I DADA !
18 juin, 2015
(Anatin’ny boky « Tiako, tena tiako ! »)
Mpanoratra : DadaRabe
I DADA !
Folapolaky ny lasa sy ny taona marobe,
Vizaky ny asa sy ny ora efa nandeha,
Drodroky ny ankaso sy ny kisa tsy ho re…
…Nefa izy mihomehy !
Mitazana iny lanitra mamiratra hariva,
Mijery iny masoandro manomboka ho iva,
Mihaino hirahira, ritsodritsoka mirindra…
…Dia revo izy mamindra !
Mitantana ireo zanaka sy zafy, zafiafy,
Manoro koa ny anton’iny rivotra mifafy,
Mampita lovantsofina sy angano fahizany…
…Mazoto foana hatrany !
Mahatsiaro ny omaly sy taonjato faharoapolo,
Tanisa ireny havana efa lasana daholo,
Dia very ambiroa ka mandefa saina irery…
…Toa feno mistery !
Na volofotsy rakotra sy taona efa mandroso,
Noho ‘reny andro maro nibaby sy nitrotro,
Dia mirana hatrany mibanjina ny ho avy…
…Ho an’ny mpianakavy !
…I dada !
DadaRabe
Ambato (16/10/13)
Gasikarako
12 juin, 2015Gasikarako
Tiako ianao, ry Gasikara, tanindrazana lalaiko
Ka asandratro ao am-po sy lolohaviko ao an-tsaiko
Fa raha misy faniriana tsara indrindra mba tononiko
Tsy ho an’iza fa ho anao, ry nilatsahan’ny tavoniko
Fa hatramin’ny fahagola, tany am-badiky ny tazako
Dia ianao no anjara-tany izay natolotra ny razako
Ianao no lova soa sarobidy mba nananany
Dia ianao, ry Gasikara, ilay napetrany ho an-janany
Fa matoa manopy mena ireo havoana izay tazaniko
Teo ny ran’ny Menalamba no namonto izato taniko
Matoa koa fatratra faniry iretsy alanay matevina
Dia teo ny nofony, angamba, no efa zezika nilevina.
Dia vao mainka koa ekeko, fa matoa ny ranomasina
no namefy anao ho Nosy dia ao ‘lay Zo tovonan-kasina
manambara ombieny ombieny amin’ireo mpijerijery
fa ‘ty Nosy kanto ity dia ho an’ny Malagasy irery.
Koa dia rariny raha toa ka saro-piaro anao ny tenako
Ary tsy mba reno-tory tamin’ny ora fiambenako.
Satria tena ahy ianao, tsy atakalo, tsy onerana
Tena marina izany fa tsy hambo diso toerana
Ny toetrako rehetra, ny maha-malagasy ahiko
Na fiteniko, na fombako, na ny saiko sy fanahiko
Tsy hàla-tahaka nataoko na an’ny hafa sendra tazako
Fa nitsiry avy aminao, ry Gasikara Tanindrazako.
Ka ho gaga ve ianao raha mitepo anao ny tratrako
Ary raikitra ho toetra sy manjary zava-batrako
Ny mivavaka isan’andro ho anao tsy ankijanona
Hahatonga anao ho tany sady firenena vanona.
Ny velirano izay ataoko, ô ! ry Madagasikarako !
Sady fanekem-pinoan’ny fisiako sy tantarako :
Tsotra ihany, nefa kosa, hodradraiko sy lazaiko :
Dia ny fanompoana anao hatramin’ny fara-fofonaiko.
RADO 1966
Rehefa tia
12 juin, 2015Rehefa tia
Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory
Tehirizo anaty ‘lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin’ny kamory
Nahoana raha mangina fotsiny am’zao
Sao ny sarobidy no lasa very hasina
Hiverina im-piry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra izato ranomasina
Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa
RADO
Raha mila fanampiana (MAHALEO)
3 juin, 2015
Raha mila fanampiana (MAHALEO)
Raha mila fanampiana ianao
raha nisy tsy mety ny atao
tsarovy akia e!
Fa any ho any
misy namana tena tia
miandry fotsiny
miandry pi_maso
miandry ho kopahin_tanana
fa vonon_kijoro
handresy ny ankaso
satria izany no tena namana
raha misy zava mampahory
ka mila tsy ahitan_tory
tsarovy akia eh!eh
fa any ho any misy namana tena tia
mahantra sy osa o!
Mahantra harena
nefa kosa tsy tia tena
fa vonon_kanampy
satria tia
tsy mitady valiny sanatria
Raha matsiaro ho irery ianao indraindray
na marary nefa tokana iray
tsarovy aky eh!eh!
Fa any ho any misy namanao tena tia
tsy irery ianao
fa misy mahatsiaro
ka ny alahelo atsaharo
ka na ali_mikitroka o!
Na oram_baventy
ho tonga tsy ho ela aho fa vetivety
fihavanana tsy ho ravan’ny taona
fa madio sy hamiratra foana
tsarovy aky eh!eh!
Fa any ho any
misy namanao hatrany hatrany
misy namanao hatrany hatrany.




