Gasikarako

Gasikarako

Tiako ianao, ry Gasikara, tanindrazana lalaiko
Ka asandratro ao am-po sy lolohaviko ao an-tsaiko
Fa raha misy faniriana tsara indrindra mba tononiko
Tsy ho an’iza fa ho anao, ry nilatsahan’ny tavoniko

Fa hatramin’ny fahagola, tany am-badiky ny tazako
Dia ianao no anjara-tany izay natolotra ny razako
Ianao no lova soa sarobidy mba nananany
Dia ianao, ry Gasikara, ilay napetrany ho an-janany

Fa matoa manopy mena ireo havoana izay tazaniko
Teo ny ran’ny Menalamba no namonto izato taniko
Matoa koa fatratra faniry iretsy alanay matevina
Dia teo ny nofony, angamba, no efa zezika nilevina.

Dia vao mainka koa ekeko, fa matoa ny ranomasina
no namefy anao ho Nosy dia ao ‘lay Zo tovonan-kasina
manambara ombieny ombieny amin’ireo mpijerijery
fa ‘ty Nosy kanto ity dia ho an’ny Malagasy irery.

Koa dia rariny raha toa ka saro-piaro anao ny tenako
Ary tsy mba reno-tory tamin’ny ora fiambenako.
Satria tena ahy ianao, tsy atakalo, tsy onerana
Tena marina izany fa tsy hambo diso toerana

Ny toetrako rehetra, ny maha-malagasy ahiko
Na fiteniko, na fombako, na ny saiko sy fanahiko
Tsy hàla-tahaka nataoko na an’ny hafa sendra tazako
Fa nitsiry avy aminao, ry Gasikara Tanindrazako.

Ka ho gaga ve ianao raha mitepo anao ny tratrako
Ary raikitra ho toetra sy manjary zava-batrako
Ny mivavaka isan’andro ho anao tsy ankijanona
Hahatonga anao ho tany sady firenena vanona.

Ny velirano izay ataoko, ô ! ry Madagasikarako !
Sady fanekem-pinoan’ny fisiako sy tantarako :
Tsotra ihany, nefa kosa, hodradraiko sy lazaiko :
Dia ny fanompoana anao hatramin’ny fara-fofonaiko.

RADO  1966