Archive pour juillet, 2015
Manana Anao (Jocelyn Rajarison)
20 juillet, 2015
Efa reraky ny fiainana aho
Tsy nahita izay nombana intsony
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho
Tsy haiko intsony izay natao
Soa fa tonga Ianao nanarina ahy
Nampitraka, namonjy ny fanahy
Nositraninao ‘lay fery tato anatiko
Izay nandratra ny foko
Manana aho Tompo ô !
Fa manana Anao
Niova ny fiainako Tompo ô !
Tao Aminao
Tsy nanenina aho
Raha nandray Anao
Tsy ho toy izao ny fiainako
Raha toa tsy tao Aminao
(Jocelyn Rajarison) Tononkira
Fitiavana Ranovelona (tononkira)
17 juillet, 2015
Fitiavana Ranovelona (tononkira)
1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina;
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra!
2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O, mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.
3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.