Archive pour novembre, 2015
N’aiza n’aiza eto an-tany, dia ho anao hatrany, ry Nosiko.
17 novembre, 2015Ry sombinaina !
4 novembre, 2015Ry sombinaina !
Ho anao ry sombinaina,
Voankazo ny fitiavana,
Nitombo moramora,
Tao anatiko ao.
Niandry aho isan’andro,
Niambina ny ainao,
Fotoana sarobidy,
Nahafeno ny fanahy.
Dia indro ilay andro,
Nahitanao masoandro,
Zava-soa nitomany,
Naterak’i neny.
Zà sy ianao nifampijery,
Sy niaraka nitsiky,
Ry ilay nantenaina,
Nahafinaritra indrindra.
Avy aho dia nidera,
Ny anjely kelinay,
Zazakely tsara tarehy,
Vokatry ny fitiavana.
Tritriva 26/08/08
