Archive pour janvier, 2016

TSY OHATRAN’AZY IANAO !

12 janvier, 2016

TSY OHATRAN’AZY IANAO !

(Tononkalo atolotra hampahery anao amin’izao voalohan’ny taona izao)

Tsy ohatran’azy ianao…

Fa olona mikofoka, mikatsaka ny soa,
Tsy mihondrika, mangovitra, na koa mamoy fo !
Tsy mitsiriritra foana fa mifofotra hatrany…
Mikaroka ny lalana, mitady koa ny mamy !

Fa tena efa miezaka, mazoto miari-pery,
Mitolona amin’ny fiainana, manambatra ny hery,
Tsy miandry ho tolorana, tsy miandry ny maraina…
Fa vonona hihosona ary koa hampiasa saina !

Fa ianao na dia mianjera dia miarina hatrany,
Tsy mitaraina lava na variana mitomany !
Tsy ailikao ny rihitra raha sendra ny tsy mety
Fa raisinao ny andraikitra, tsy mila hoe vedety !

Fa mandroso hatrany, hatrany, mizara hafaliana,
Ary vonona hanampy fa tsy miandry fanampiana !
Vonona hihaino fa tsy miandry foana ho henoina !
Manarina ireo namana raha sendra ka traboina !

Ianao na dia tsy manana dia mino sy matoky
Fa na dia noana androany, rahampitso mbola ho voky !
Na kely sy madinika, na bado na tsy fetsy…
Tsy miandry fandresena ianao fa miady mba handresy !

Tsy ohatran’azy ianao !

DadaRabe
Ambato
17/10/2015

https://www.facebook.com/dadarabe/?fref=ts