Tora-pasika
28 avril, 2016Tora-pasika
Hono hoe, eny amorontsiraka
Misy toerana atokana
Ho an’ireo mpifankatia
Rehefa harivariva ny andro
Ka mody ny masoandro
Izy ireny miara-dia
Tsy manahy ireo onja
Atosiky ny riaka
Fa mainka mifanantona
Mifampizara tenim-pitiavana
Oroka mamy amin’ny molotra
Manadino tanteraka ny tahotra
Safosafo sy tambitamby
Manome toky
Fa ho doria ilay fitia
Tora-pasika mahafinaritra
Dian-tongotra sy fasika
Miaraka amin’ilay tiana
Eny amorontsiraka
Eny ! rehefa diavolana
Tritriva 28/04/16