REHEFA FILOHA AHO !
24 avril, 2016REHEFA FILOHA AHO !
Rehefa filoha aho…
Tsy handoa ekôlazy
Izay te ho minisitra
Ary tsy ho garazin’
Ireo mazàna gisitra
Ny asam-panjakana…
Fa ny olona madio
Sy tia ny tanàna
No hitondra an’io !
Rehefa filoha aho…
Dia an’ny Malagasy
Ny harenam-pirenena
Fa tsy ho voapasipasin’
Ny ratsy tia ràn-kena
Ho any amin’ny vahiny
Ny soa sy ny tantely !
Tsy ho tompony maniry
Intsony i Gasy kely !
Rehefa filoha aho…
Dia fomba malagasy
No hampanjakaina
Fa tsy ho voatasitasin’
Ny fanjanahan-tsaina
Sy randrana avy an-dafy…
Mpiteraka krizy
Sy loza be mifafy…
Ny lohan’ny ankizy !
Rehefa filoha aho…
Dia rariny sy hitsiny
No hezahina hanjaka,
Ny maramara pitsony
Tsy hatao mahazo laka !
Ary hankasitrahana
Izay miasa sy mazoto,
Mijoro amin’ny marina…
Fa tsy ny jiolahim-boto !
Rehefa filoha aho…
Dia i ZANAHARY
No hiahy ny tany,
Hambomba tsy hanary !
Handrotsaka ny mamy !
Ary hiaraka isika,
Hikolo sy hahavita
Ny nosindrazantsika !
Handroso sy ho tafita…
…I Madagasikara…
…Rehefa filoha aho !
DadaRabe
Ambato
22/04/16 21:18