Archive pour janvier, 2017
MIARAHABA ANAO !
3 janvier, 2017MIARAHABA ANAO !
Lasana iny taona,
Nivalona sy dify !
Nahafaly, nampisaona,
Izay no zava-nisy…
Fa ity taona vao ity
Irina tsy hangatsiaka
Fa ho taonan’ny fitia
Hirehitra ho antsika !
Ho fanantenana,
Ho fahasambarana,
Ho fahazavana,
Ho taonam-pisantarana…
..Ny soa sy ny mamy
Ny tsara sy meva…
Ho fifaliana hatrany
No hisy sy hateza !
Ny Avo no hitahy
Antsika mianakavy,
Tsy hisy hampanahy
Fa Izy no hibaby !
Mirary fiadanana
Sy taona vaovao
Mirary ho salama…
Miarahaba anao !
DadaRabe
01/01/17 0h10
LILLE