TONTOLO INTERNETY

TONTOLO INTERNETY

Tontolo vaovao, tontolo ifandraisana,
Nahalalako anao…eny tsy nampoiziko
Fa sehatra iray, tontolo mba iraisana…
Nanjary tena tiako, nanjary nankafiziko !

Tontolo toy ny nofy kanefa tena izy,
Toa lavitra ny any, toa sarisary ihany…
Kanefa tampoka eo ‘ty fo toa mihizihizy !
Fa tena tia, hono izy, ka mila anao hatrany !

Kanefa ilay tontolo, tontolo toa tsy misy,
Soratra sy sary no lamba firakofana,
Vao ts’isy ny herin’aratra dia fongana indrisy…
Manjavona tsy hita, tsy hita hosarangotina !

Kanefa anie, kanefa…Tsy nofy tsy akory
Fa tena nahalalako ilay tontolonao,
Nanjary fifaliako toa rotsy mampatory !
D’injao lasa fitiavako…ilay soratsoratrao !

DadaRabe
Ambato
12/02/17 12 :32