NDAO HIARAKA ISIKA !

NDAO HIARAKA ISIKA !

Tsy hoe kiry akory na koa hoe hadalana
No mahatonga antsika handao ity tanàna,
Fa noho ilay andraikitra ary koa ilay adidy,
Tsy an-tery akory izany fa tena efa safidy !

Tsy maintsy tapa-kevitra fa ady ny fiainana !
Tsy asiana fendrofendro, tsy asiana fitarainana
Fa raisina mavitrika, amin-joto ihany koa…
Ariana ny hakamoana ary hiezaka amin’ny fo !

Tsy hiandry fahagagana na hiandry olon-kafa,
Tsy hiandrandra fanjakana na hanantena rasa
Fa vonona isika, handresy fahantrana…
Hifofotra, hikofoka, tsy hanaiky fandraràna !

Fa samy mba mitady ny anjarany eto an-tany,
Tsy maintsy ho bedaina sy rombahina izany !
Fa samy mba mikatsaka ny taratra masoandro…
Tadiavina, katsahina, rombahina io vao azo !

Ho anao tsy mbola vonona…Aleo ‘zahay handroso !
Izahay tsy hiandry anao fa dia tena hisosososo !
Tsy hahalala menatra, hivandravandra maso !
Harodanay ny lahatra, hadabokay ny ankaso !

Ka dia veloma ihany ! Masina ry zareo !
Fa lasa izahay ! Tsy hitomany, tsy hitoreo !
Ny lanitra no iombonana sy hitahy ihany koa…
Fa ny eto an-tany kosa samy hitady izay mahasoa Ndao hiaraka isika !

DadaRabe
Ambato
09/05/17 23 :26