Archive pour la catégorie 'DOX RAZAKANDRAINA'

TANIN-DRAZANA

24 juin, 2016

TANIN-DRAZANA

Trano bongo amam-pahitra, an-dohasaha sy an-kavoana.
Làlana misava antsoro ary vato mikotoana….
Tanimbary maro vala, saham-boanga, tanin’ovy,
Voly mangahazo maitso…Tanindrazana io, tsarovy !

Itariko ihany: habakabaka, hay sady tiana volo.
Tehezam-bohitra mamefy ny ara-maso manontolo.
Tanety, havoana, lohasaha, alaala, renirano…
Mbola tanindrazana io, foko iraisana, hay angano.

Itariko ihany hidadasika…Imerina aman-tany menany,
Am’ireo tanàna marony sy ‘zay rehetra hoe harenany…
Mbola tanindrazana ihany, ary azo ireharehana.

Ho valàko ranomasina…Indro Madagasikara,
Dia ny fokony rehetra…tany mamy, tany tsara,
Voatsodrano, tanindrazana, iombonana, iafaràna !

DOX

Tenin-drazana

23 novembre, 2014

Tenin-drazana

 

Raha mbola ao Ianao

Ka manana ny hasinao

Ary ho teneninay…

Ry teninay, tsy foana ‘zahay !

 

Teny andrandraina Ianao

Amin’izao tontolo izao.

Tsy firy no fiteny ambara

Ho tahaka anao ka manan-jara.

 

Tena endrikay tokoa,

Mamy imolotra sy am-po,

Mahalaza ny holazaina.

 

Efa folaky ny Razana

Ho teny tena ahombiazana,

Teny tena manana aina…

 

DOX

TSY HAY HADINOINA …

4 août, 2014

TSY HAY HADINOINA …

 

Iny olona iny manko ka vahiny tamin’ny fiainako

nefa naka ny fisainako …

Lasa izany ary indrisy tsisy haiko hadinoina

nefa tsy azoko antsoina …

 

‘Lay endriny sariaka nobanjiniko elaela

dia ao am-poko no tavela …

mialoalo ao madio, toy ny felana mangarana,

nefa nofy tsy ifaharana !

 

Tiako loatra ny hahita fanindroany ‘ty endrika,

tsy ho nofy maharendrika

fa ho tena izy marina, hahazoa-mifaly indray

na dia hoe segondra iray …

 

DOX (ao anatin’ny boky DINDONA FITIA)

RAHA TSY MIADY – SI VOUS NE LUTTEZ PAS

14 janvier, 2013

POEME DE DOX RAZAKANDRAINA

 

RAHA TSY MIADY

 

Ny olona no renivola

Fa tsy hoe, ny vola akory

Tairo ny olona tsy hatory

Amin’ny fahoria-mahatola

Hanaiky hotsindrin’ny vitsy

Nahazo vahan’ny harena ?

Tsia ! miadia, miarena

F’efa tsy mifampitsitsy

Moa tsy tena mahasosotra

fa ny miasa sy mifofotra

no mitrongy vao homana…

Raha tsy miady ho mpitantana

ny zanaky ny amorom-patana

tsy haharina ny vovonana !

 

SI VOUS NE LUTTEZ PAS

 

L’homme est notre capital

Et non pas l’argent.

Secouez-le, qu’il ne s’endorme

dans la misère qui l’écrase

Pourquoi subir l’oppression d’une minorité

Qui tient sa force de sa richesse

Non, luttons, levons-nous

ne faisons pas de quartier

N’est-ce pas un scandale

que ceux qui travaillent et peinent

Crèvent de faim ?

Si les enfants des serviteurs

ne luttent pas pour prendre en main leur sort

Jamais ne se dressera la poutre faîtière !

 

 DOX RAZAKANDRAINA

TIA ANAO AMIN’IZAO …

14 janvier, 2013

TIA ANAO AMIN’IZAO …

 

Tsy ho fantatrao akory, tsy ho azonao vinany

fa tonokira ho anao ‘ty soratako eto ity …

Tsy ho hitanao ny halemeko indrindra ‘zany izaho tomany :

Naka endri-tsangisangy tamintsika ny fitia …

 

Eny, ho’aho ry tokako, ry mpanakopakopaka elatra,

tsy omby anao ny habakabaka na ny akany ho an’ny roa !

Satrinao ianao mahita ny hahafahanao mivelatra

sy hanaranana tanteraka, hanala liana anao fo.

 

Tofoka aho ? Sanatria … Tia ka manara-dia !

Tia anao manidintsidina, mankasarotra fitia …

Tia anao mby amin’izany ka tsy valaka manjohy …

 

Tia anao mahalala ny aretiko am-panahy,

Nefa dia minia tsotra manadaladala ahy.

Mahalala fa ny tia dia tsy afaka mamoy …

 

DOX