i Dago (Madagascar) de Tritriva chanté par Rabodo Miadana
19 février, 2018
i Dago
Na lavitra aza i Dago
Izy no mameno ny saina
Nosy nahitana masoandro
Nandrotsy ny fahazazana
Hiverina indray andro any ity zanakao
Na efa lehibe sy nandeha
Mahatsiaro azy isan-andro
Manisa hatrany ny fotoana
Hahitana azy indray e
Hiverina indray andro any ity zanakao
Gasikara tanindrazana
Lova ho an’ny taranaka
Fonenan’ireo havan-tiana
Tany mbola hiafarana
Hiverina indray andro any ity zanakao
Tritriva