Archive pour la catégorie 'Non classé'

Qui sème le vent récolte la tempête !

23 octobre, 2012

Qui sème le vent récolte la tempête !  om_coloring_tsubasa-189x300

CLIQUER SUR LA PHOTO POUR AGRANDIR

NOSORATANA TAO ANATIN’NY FANGORAKORAHANA

12 octobre, 2012

 

Eritreritra, nofy mangina,

Hovitrovitra saika tsy re,

Kopak’elatra, ho aiza ? – Hiampita.

Any an’inona ? – Tany tsy hita.

Nefa feno ny zavatra irina,

Feno azy ary be dia be …

Kopak’elatra ho aiza ? – Hiampita…

Hovitrovitra saika tsy re…

 

Hovitrovitra… Ny antony ? – Asa !

Fa malemy ny nofo ka jamba !

Toa fanahy no sisa mameno,

Izy ihany no sisa mba heno

Mampangina ny otan’ny lasa !

Ny vovoka, hiverina angamba…

Toa fanahy no sisa mameno,

Fa malemy ny nofo, ka jamba !

 

Dia fangorakorahana sisa…

– O ! mbola olombelona ihany !

Vao tanora, ka ho lasa sahady ?

Zanak’ondry, ka halavon’ny tady ?

- Eritreritro tonga madisa,

Nifamatotra tsy hita lany…

Vao tanora, ka ho lasa sahady ?

– O ! mbola olombelona ihany !

 

Injao mihodina mora dia mora

Ny eritreritro lasa mandeha.

O ry fahatanorako ho fohy,

Fa efa miditra ilay lava-johy

Tsy ivelaran’ny tsiky tanora,

Na idiran’izay rehareha !

O ! ry fahatanorako ho fohy,

Ny eritreritro lasa mandeha !

 

Toa voron-kiantefa any an-koatra

Izany fiaingany anatiko izany

Efa feno dia feno fanahy,

Vonombonona, tsy mba manahy…

Tebiteby, kanefa tsy loatra,

Tebiteby aminao, o ry tany !

Efa feno dia feno fanahy

Izany fiaingany anatiko izany !

 

Tebiteby… Mangina !

Mangina ! Mangina, o ry nofoko ho rava,

Mangina, o ry nofoko omaly !

Fitsaharana anie hampifaly;

Raha ho lasa, veloma, masìna,

Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava !

Mangina, o ry nofoko omaly !

Mangina, o ry nofoko ho rava !

 

 

J. J. RABEARIVELO

(Ny Mpandinika, N° 128, 7 mey 1926)

http://rabearivelo.webs.com/eritreritrapensees.htm

17 septembre, 2012

 44gphaec

24 août, 2012

 216556bon_week_end10-300x215

CLIQUER SUR L’IMAGE POUR AGRANDIR ET

FAIRE BOUGER LA TORTUE :-)

7 mars, 2012

 399945_261761440566156_100001969050511_611886_1593674647_n-300x187

123456...11