Archive pour la catégorie 'POEMES de Tritriva'

Eny Antsioka (Tononkira nosoratan’i Tritriva)

22 juillet, 2016

Lava ny dian’ireo ankizy
Alohan’ny ahitany fiadanana
Sahirana tahak’ireny vorona
Mitady toerana tony
Rahoviana re no ho tafita
Hiaina anaty fanambinana

Impiry nibanjina ny lanitra
Tsy nahita fahazavana
Iza no afaka hanazanona
Ireo ady, horohoro sy basy
Rahoviana vao hitsahatra ny fitaka
Sompatra sy tetidratsy

Taonjato firy ho an’ireo voazanaka
Alohan’ny ahitany fahafahana
Be marenina manao ho jamba ireo mpitondra ny tany
Tsy miraharaha ny jalim-bahoaka
Taonjato firy vao ho lasana ny ijy
Rahoviana no ho avy ny fandriam-pahalemana

Refrain
Henoy ry namana
Variona, radraty, tsitoly
Eny anaty antsioka ny valiny

31/05/2016

( Tononkira nosoratan’i Tritriva )

Tora-pasika

28 avril, 2016

Tora-pasika

Hono hoe, eny amorontsiraka
Misy toerana atokana
Ho an’ireo mpifankatia
Rehefa harivariva ny andro
Ka mody ny masoandro

Izy ireny miara-dia
Tsy manahy ireo onja
Atosiky ny riaka
Fa mainka mifanantona
Mifampizara tenim-pitiavana

Oroka mamy amin’ny molotra
Manadino tanteraka ny tahotra
Safosafo sy tambitamby
Manome toky
Fa ho doria ilay fitia

Tora-pasika mahafinaritra
Dian-tongotra sy fasika
Miaraka amin’ilay tiana
Eny amorontsiraka
Eny ! rehefa diavolana

Tritriva  28/04/16

Ry sombinaina !

4 novembre, 2015

Ry sombinaina !

Ho anao ry sombinaina,
Voankazo ny fitiavana,
Nitombo moramora,
Tao anatiko ao.

Niandry aho isan’andro,
Niambina ny ainao,
Fotoana sarobidy,
Nahafeno ny fanahy.

Dia indro ilay andro,
Nahitanao masoandro,
Zava-soa nitomany,
Naterak’i neny.

Zà sy ianao nifampijery,
Sy niaraka nitsiky,
Ry ilay nantenaina,
Nahafinaritra indrindra.

Avy aho dia nidera,
Ny anjely kelinay,
Zazakely tsara tarehy,
Vokatry ny fitiavana.

Tritriva 26/08/08

Image de prévisualisation YouTube

Lavaka

27 mai, 2015

telechargement-4

 

Lavaka

Maraina sy hariva, mandalo,
Eny sisinabo be lavaka, lavaka, lavaka,
sady feno fako, no maimbo, maimbo, maimbo,
Maharikoriko, mahalasa saina.

Fa nahoana re, no efa elabe,
No tsy misy fihovana eto an-tanàna ?
Ny ankizy sy olon-dehibe,
Dia eny no mandeha.

Nefa mety ahita loza,
Raha toa ka latsaka ao,
Ts’isy hamonjy, hitsabo,
Fa samy sahirana amin’ny atao.

Ary ireo tompon’andraikitra,
Voafidy anao ny adidiny,
Toa lasa jamba, mody tsy mahare,
Raha misy fitarainana avy eny an-dalambe.

Tsy misy hono ny vola,
Anamboarana ny simba,
Nefa ry zareo, mirehareha,
ao anaty fiara lafo be.

Tritriva

72677611

MAHATSIARO ANAO

3 mars, 2015

MAHATSIARO ANAO

 

Ny ferinao ry Taniko,

No iny mba ho tazako,

Rehef ‘ izaho hankany,

Hamangy ireo havana any !

 

Nahoana moa no izao,

No tena mahatsiaro anao,

Ity foko miferinaina,

Mahafantatra fa misy tra-boina…

 

Tsy ampy akory,

Ny fandefasana vonjy,

Firarian-tsoa sy fivavahana,

Raha tsy eo koa ny fitiavana !

 

Ny hahita anao ry Nosiko,

Sy ireo havana ao,

No hany fanantenako,

Raha sitraky ny Tompo !

 

Tritriva

12345...7