Archive pour la catégorie 'POEMES de Tritriva'

Tsy hitarainako !

28 octobre, 2013

 

Tsy hitarainako !

 

Tsy hitarainako ry Raiko

Izay mahory ny fiainako

Fa be mihoatra izany

Ny ory manodidina ahy

 

Misy ireo tsy manan’tafo

Sy tsy manana sakafo

Na dia mifoha maraim-be

Hangataka eny an-dalambe

 

Ny ankizy toa tsisy akanjo

Ary tsy mba afaka mandro

Zoky mitaiza zandry

Ka tsy mankany sekoly

 

Misy ireo tsy salama

Tsy mahita dokotera

Ny fanafody lafo be

Raha toa mba hita maso re

 

Hiangaviako ianao ry Raiko

Tsinjovy izy ireo

Aza avela ho very

Fa mba tsilovy ny fiainany

 

Tritriva  28/10/13
Image de prévisualisation YouTube

Ritra ny ranomaso !

8 mars, 2013

 

Ritra ny ranomaso

Izay nijononoka,

Teo am-piandrasana anao,

Isan’andro, amam-bolana.

 

Tapitra ny sento

Ny fo efa tony,

Hadino daholo

Izay nahahory.

 

Veloma masina

Mahazoa izay hirina,

Ny aty efa onona

Ary miadan-tsaina.

 

Eny ry nantenaina,

Ry tsy anjara,

Ekena ny zara sy lahatra

F’izany no sitraky ny lanitra.

 

Tritriva

 

 

A la plage le soir !

27 février, 2013

Le soleil s’est couché majestueusement
Laissant le soir aux amants
Je viens vers toi silencieusement
Marchant sur le sable encore tiède
Evitant les petites vagues
Qui viennent effacer mes pas

Tu es là assis contre un muret
La tête sur un coussin de coeur
Tu lis un bouquin de poèmes
Sous un rayon de lumière
Je m’assois et t’effleure
Si près de toi, caressant ton bras

Et avec un sourire tu me regardes
Te glisses vers moi en posant ton livre
Il n’y a plus que nous deux sur la plage
Un vent léger vient nous frôler
Nous, bercés par les délices…
En murmurant des mots d’amour

Tritriva

A la plage le soir ! dans AMOUR - FITIAVANA copy_20of_20romantic_20kiss-300x207

 

 

 

 

Izy irery !

18 janvier, 2013

Izy irery no malalany

Ilay tokana safidiny

Notolorany ny fitiavany

 

 

Izy irery no hilazany

Ny tsiambaratelony

Izay ao anatin’ny fony sy fanahiny

 

 

Izy ilay miara-dia aminy

Mijara ny ngidy sy ny mamy

Ary koa mibaby ny zanany

 

 

Izy no silaky ny ainy

Sy tsy atakalony

Izany hono ka ambarany

 

 

Tritriva

NY VOLOFOTSY

6 janvier, 2013

Iny lohany iny aky,

 

Matoa misy volofotsy,

 

Nisolo ireo volo mainty

 

Nahafinaritra fahiny !

 

Dia ny fotoana nomeny,

 

Ho an’ny vady aman-janany,

 

Sy ny havana sy namany.

 

Ary koa ireo izay

 

Nila ny fanampiany,

 

Teny rehetra nalehany,

 

Ireo ora niasany,

 

Andro, volana, aman-taona izany.

 

Ny zaza an-kibo nohentiny,

 

Nomeny ny mamin’ny nonony,

 

Ary nobabeny tsy navelany irery,

 

Na ny alina aza, tsy mba natory,

 

Fa nandrotsirotsy ilay zanany,

 

Namelona, niasa, nanao ny adidiny,

 

Eny mandrapaha lehibe ny ankiziny,

 

Izany no nahatonga ireny volofotsiny ireny.

 

Mankalaza ny reny rehetra izay misy

 

Na mbola ho hisy volofotsy !

 

 

Tritriva

12345...7