Archive pour la catégorie 'TONONKALON’I DadaRabe'

IREO TENA JIOLAHY !

14 octobre, 2015

IREO TENA JIOLAHY !

Ireo tena jiolahy dia tsy any am-pigadrana
Fa miriaria eny ivelany eny,
Ambonin’ny lalàna !
Afaka miteny,
Manao izay tiany atao
Ka vitany avokoa…
Manao izay tsy fanao,
Tsy ankivaky loha !

Izy dia malama tsy tratran’izay aloka !
Kapaina tsy hita fery
Ka afaka midaroka,
Tsy menatra mamely,
Mangorona harena
Izay tsy nisasarany
Fa volam-pirenena…
Ataony amin’ny anarany !

Jiolahy tsara fiankanjo, milamina, madio,
Mangara tsisy pentina,
Ambony dabilio,
Birao tena mitentina
An-tapitrisa…Arantiny !
Sonia iray ihany
Dia amidiny ambongadiny
Ny harenan’ity tany !

Ahondrany any ivelany, ataony mitsikasina
Ny vakoky ny nosy
Tsy misy zava-masina
Fa dia voahosihosy,
Hitsahiny daholo !
Izy, hono, tsy voarara
Na rava sy hikoro
‘Lay Madagasikara !

Oh ! Tena jiolahy !

DadaRabe
Ambato
12/10/15 22:56

https://www.facebook.com/dadarabe

RAHA FANTATRAO RY NENY…

24 août, 2015

RAHA FANTATRAO RY NENY…

Raha fantatrao, ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.

Raha hitanao ny dinitra mirotsaka an-tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama.

Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehefa izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany !
Kanefa anie dia ferako ny foko tsy hitomany.

Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidina any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbola ato am-poko ato, tadidiko avokoa.

Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratra aho: “mazava ny marainako”
“Sambatra aho ry neny… milamina ny fiainako!”

DadaRabe
Marseille (06/05/01)
(Ao amin’ny boky « Hatramin’ny nahalalako anao »)

I DADA !

18 juin, 2015

(Anatin’ny boky « Tiako, tena tiako ! »)
Mpanoratra : DadaRabe

I DADA !

Folapolaky ny lasa sy ny taona marobe,
Vizaky ny asa sy ny ora efa nandeha,
Drodroky ny ankaso sy ny kisa tsy ho re…
…Nefa izy mihomehy !

Mitazana iny lanitra mamiratra hariva,
Mijery iny masoandro manomboka ho iva,
Mihaino hirahira, ritsodritsoka mirindra…
…Dia revo izy mamindra !

Mitantana ireo zanaka sy zafy, zafiafy,
Manoro koa ny anton’iny rivotra mifafy,
Mampita lovantsofina sy angano fahizany…
…Mazoto foana hatrany !

Mahatsiaro ny omaly sy taonjato faharoapolo,
Tanisa ireny havana efa lasana daholo,
Dia very ambiroa ka mandefa saina irery…
…Toa feno mistery !

Na volofotsy rakotra sy taona efa mandroso,
Noho ‘reny andro maro nibaby sy nitrotro,
Dia mirana hatrany mibanjina ny ho avy…
…Ho an’ny mpianakavy !

…I dada !

DadaRabe
Ambato (16/10/13)

AZA MBA ENTIN’NY BADO !

3 mars, 2015

AZA MBA ENTIN’NY BADO !

 

Aza mba entin’ny bado

Fa rendrika ianao sady lavo !

Aza manaraka adala

Fa difotra ianao tsy afa-miala !

 

Aza tarihin’ny kamo

Fa miakatra ho azy ny rano !

Aza mifidy ny dondrona

Fa rehitra ho azy eo Ambondrona !

 

Aza mba mino mpandainga

Fa loto sy fako no miainga !

Aza midera mpangalatra

F’ianao no hilatsahan’ny varatra !

 

Aza mitehaka fositra

Fa ny harenanao no handositra

Aza mba mitrotro maingoka

Fa ianao no hifoteran’ny faingoka !

 

Fa maro ireo tsy valahara,

Mandrorona sy mamarara…

Dia isika no hiaran’antambo

Ka difotry ny ranon-trambo !

 

Izy ireny no manota fady…

Dia isika no varina an-kady !

Izy ireny no manaonao foana…

Dia isika no lasa tra-boina !

 

Aza mba entin’ny bado e !

 

DadaRabe

Ambato

26/02/15 20:03

https://www.facebook.com/dadarabe

12 MILIARA 4×4 !

16 février, 2015

 

12 MILIARA 4×4 !

 

Ny sasany kere ringana sy maty,

Ao ny mihinam-pako fa efa tsy mahatanty,

Misy mitsirara eny an-dala-mody…

Tsy afaka manoatra fa ts’isy fanafody !

 

Dia ao ireo very aina tafihan’ny jiolahy,

Sy tsy mahita tory vesaran’ahiahy,

Mihalasa tena gaigy ireto mpiara-monina…

Fa tena habibiana tsy hita hotononina !

 

Misy ny ambotaka efa ho adin’ny telo,

Ny lavaka eny feno ka toa mampalahelo !

Maro ireo mpitrongy tsy misy asa intsony,

Hany hery dia midoroka miboboka rongony !

 

Misy rava trano mipitrapitra maso,

Misy ny hain-tany mamely ts’isy andraso,

Misy tsy mihinana ny zaza amam-behivavy,

Misy mifandratra hatramin’ny mpianakavy !

 

Dia ao ireo very toky tsy miasa…fa mivavaka

Tsy mino ny eto an-tany…longoa sy feno lavaka !

Dia ao ireo lasa adala manary lamba an-tsena…

Mipiaka koa ny loha nefa ts’isy famonjena !

 

Ny sasany mizara ny harenam-panjakana,

Ny sasany miliba tsy mahalala fahantrana,

Ny sasany mivoky mivarotra hazoala,

Ny sasany miandry…handray dozy miliara !

 

DadaRabe

Ambato

08/02/15 11h48

https://www.facebook.com/dadarabe

 

12345...10