Archive pour la catégorie 'TONONKALON’I DadaRabe'

Ho ela velona Madagasikara sy ny Malagasy

20 décembre, 2013

Carte-des-ethnies-de-Madagascar_lightbox

NY TENA NAMANA

25 novembre, 2013

NY TENA NAMANA

 

Ny ahy ny tena namana dia :

 

Namana amin’ny fiainana,

Mety itarainana,

Mitantana amin’ny soa

Sy ny andro mafy koa…

 

Raha misy ny tsy mety

Dia antsoina vetivety,

Tsy manabatibaty

Fa vonona hifanampy.

 

Mizara fifaliana,

Miombom-pahoriana,

Milaza harina an-tava,

Tsy vatambatam-bava…

 

Raha misy ifandirana

Dia azo ifandaminana,

Tsy manamafy fo…

Manaiky atoro koa !

 

Finamanana madio,

Tsy ravan’ny tadio,

Tsy hifanary izany…

Mpinamana hatrany !

 

DadaRabe

21/11/13 22:30

I DADA !

21 novembre, 2013

 

I DADA !

 

Folapolaky ny lasa sy ny taona marobe,

Vizaky ny asa sy ny ora efa nandeha,

Drodroky ny ankaso sy ny kisa tsy ho re…

…Nefa izy mihomehy !

 

Mitazana iny lanitra mamiratra hariva,

Mijery iny masoandro manomboka ho iva,

Mihaino hirahira, ritsodritsoka mirindra…

…Dia revo izy mamindra !

 

Mitantana ireo zanaka sy zafy, zafiafy,

Manoro koa ny anton’iny rivotra mifafy,

Mampita lovantsofina sy angano fahizany…

…Mazoto foana hatrany !

 

Mahatsiaro ny omaly sy taonjato faharoapolo,

Tanisa ireny havana efa lasana daholo,

Dia very ambiroa ka mandefa saina irery…

…Toa feno mistery !

 

Na volofotsy rakotra sy taona efa mandroso,

Noho ‘reny andro maro nibaby sy nitrotro,

Dia mirana hatrany mibanjina ny ho avy…

…Ho an’ny mpianakavy !

 

…I dada !

 

DadaRabe

16/10/13 20:55

http://dadarabe.blaogy.com/

http://www.freewebs.com/dadarabe

http://mosikagasy.free.fr/

ZANAHARY O ! AMPIO !

24 octobre, 2013

 

ZANAHARY O ! AMPIO !

 

Zanahary ô ! Ampio !

Tsy ho semban’ny tadio

Ny ho avin’ity taninay…

Fa ho sambatra am’izay !

 

Ka ho adino ireny lasa

Izay nangidy sy nandratra

Sy namela koa takaitra,

Toy ny vahoana mafaitra !

 

Zanahary ô ! Jereo !

Fa tomany sy toreo

Ity nosin-drazanay,

Tojo voina mahamay !

 

Arovy amin’ny fahavalo

Dia ireo loza mihalohalo :

“Fitiavam-bola sy harena”

Izay mpambotry firenena,

 

“Fitiavan-tena tafahoatra”

Toy ny aretina mitroatra

Sy “fitiavam-boninahitra”

Mahatonga ireny halatra !

 

Ny “setrasetran’ny vahiny”

Mandroba ny rehetra tiany…

Sy ny “ankason’ireo havana”

Mpamadika ity tanindrazana !

 

Zanahary ô ! Tahio !

Miantso Anao izahay anio !

Aleo mba hiadana amin’izay…

‘Lay Madagasikaranay !

 

DadaRabe

23/10/13 23:10

AMPIANARO !

4 octobre, 2013

 

AMPIANARO !

 

Andriamanitra ô !

 

Ampianaro aho ! hifikitra aminao,

Tsy hitoky tena loatra, tsy ho be lalao,

Mba hihaino tsara ny tena anatrao,

Sy ireo lalàna mahasaro-piaro anao.

 

Ampianaro aho ! hahay hanetry tena,

Tsy hieboebo na hampiranty harena,

Tsy hirehareha na hampidera sandry,

Tsy hisetrasetra hanitsaka ‘reo zandry.

 

Ampianaro aho ! tsy hitsiriritra,

Na haka ny tsy ahiko, haniry tsy ho ritra,

Fa hanaiky hihonona, tsy hanitatra ny saiko,

K’izay nomenao ihany, d’ireny no lalaiko.

 

Ampianaro aho ! mba tsy ho tia tena,

F’izay natolotrao tsy foiko mba nomena,

Giazako tsy hivotsotra, tazoniko ho ahy,

Mba toroy lalana aho fa loza anie ry Ray !

 

Ampianaro aho ! hahay hisaotra koa,

Ny ratsy sy ny soa ho raisiko avokoa,

Dia hanaiky hifona rehefa mba migafy

Miteniteny foana, fa hoe krizy mafy !

 

Andriamanitra ô !

 

DadaRabe

Aix-en-Provence

07/05/03 15 :30

http://dadarabe.blaogy.com/post/588/3511

1...34567...10