Archive pour octobre, 2014

VONJEO NY TANINAY !

17 octobre, 2014

VONJEO NY TANINAY !

 

Andriamanitra o ! Vonjeo ny taninay !

 

Fa ny olomanganay

Sy izay rehetra sahy…

Voajedaka avokoa,

Na any am-ponja koa !

Anaovan-tamba-be

Sy loza maro anie !

 

Fa ireo saribakoly…

Fitaovan’ny devoly

Sy firenena hafa,

Indreo mifaly handratra,

Hahafahany mandroba

Ity tany mba ho tola !

 

Fa ny harem-pirenena…

Ny vato, volamena…

Safira, hazoala…

Ny tany, ny omby am-bala…

Ny zaza, tovovavy…

Aondrany any jiaby !

 

Fa ireo mitady hijoro,

Darohana ho toro !

Mba tsy hanakana azy

Hanao ilay fomba ratsy,

Fa satriny hitsirara,

Handady i Gasikara !

 

Andriamanitra o ! Omeo hery izahay !

 

DadaRabe

16/10/14 8:41

TSY RESY FA TSY NAHARESY ARY HANDRESY !

17 octobre, 2014

TSY RESY FA TSY NAHARESY ARY HANDRESY!

Rehefa mibanjina ny zava-misy aho, mamerina an-tsaina ny endriky ny taniko, dia mibahan-toerana voalohany indrindra ny fisian’ny fahantrana, ny fahalotoana etsy sy sy eroa, avy any avaratra, miakandrefana, miatsinanana, mianatsimo ary ny afovoan-tany.

Maloto ny taniko, mahantra ny olona, noana ny zaza madinika, tsy mianatra ny kilonga, ny mpiasa kely karama, tsy mahatody ny faran’ny volana intsony ny karama, midi-trosa, be trosa ny mpikarama, ary ny tanora be ny tsy misy atao, be ny very fanahy ka zara mimamomamo amin’ny zava-mahadomelina eny ny sasany …

Feno mpangataka ny arabe, ary raha tao Antananarivo no nahazatra ny maso ny nahita itony mpangataka itony taloha, dia efa feno sy henika mpangataka I Madagasikara iray manontolo, na ny afovoantany, na ny eny amoron-dranomasina.

Ny zavatra manaitra ny maso voalohany koa nefa, rehefa migadona eto Madagasikara ihany koa , dia ny fahitana ny trano mijoalajoala vaovao maro, ary indrindra ireny fiara vaovao raitra maro, mahazaka lalana na 4*4, izay samy manome endrika tsara sy meva ny tontolon’I Madagasikara, na eny amin’ny lalan-dehibe na ny lalana kely sy tery eny an-tanana.

Anjakan’ny fandrosoana Madagasikara raha tsy mijery afa-tsy ny zavatra avo ianao, dia ny trano lehibe, ny hotely lehibe (5 etoiles Sheraton, Carlton, Colbert, La Piscine, La Roche rouge, Andilana Beach, Manda Beach, La Cocoteraie, IBIS, Sunny Hotel, Le Grand Hotel…) tsy voatanisa, ny orinasa lehibe sy irony trano vaventy misy azy, (Trano Fitaratra, SODIAMA, SIPROMAD, GALANA, VITOGAZ, Village des Jeux, ZITAL, GALAXY…) tsy hary voatonona fa maro dia maro, ny jiro manazava ny lalana lehibe sy ny toerana lehibe, Analakely, Route Digue Ivato, …andray ny firentirentin’ireto dokam-barotra maro, manome haingo ny Tanana lehibe rehetra, eo ny maro loko, misy jiro sy ny mazava alina….meva izy izany. Ao koa ireo toerana fivarotana maro, na tsy vaventy loatra aza fa dia tsara tarehy, kanto, voalamina tsara , madio, toerana mendrika ny mpanambola, ary dia misomebiseby tokoa ny olona mankao, ambohi-pihaonan’ny vahiny sy ny tompon-tany, tia deradera, misehoseho.

Ireny rehetra ireny dia toy ny foana avokoa ary toy ny tsy misy rehefa midina ny maso ka mahita ny haratsiny fandehanan’ny mpandeha tongotra, ny fofona ratsy avoaky ny tatatra sy ny fitoeram-pako, izay mameno ny Tanana rehetra eto Madagasikara, izay feno sy tototra tanteraka ary tsy voaala sy voadio ara-dalana, ireo trano gasy izay tontan’ny orana sy ny taona, tsy voakarakaran’ny tompony intsony, ireo trano hazo, zara raha trano, maro dia maro, manenika ny tanan-dehibe rehetra eto Madagasikara, eny anelanelan’ny trano lehibe, eny ambony tatatra aza ny sasany no naorina.

Ny ratsy sy ny tsara, ny maloto sy ny madio, ny mpanefoefo sy ny mahantra fadiranovana, ny manitra sy fofona ampy sy ny loto dia manjaka avokoa.

Izany rehetra izany dia fianana eto Dago, fisainana eto Dago, izay no fijery izay no fiainana, tsy misy taitra, tsy misy gaga, izay Dago, izay no fitempon’ny fony, izay no malagasy…

Mandeha nefa ny fiaraha-monina, afaka miray fiara avokoa ny olona rehetra ireny rehefa tonga ny fotoana ilana an’izany , ary dia mety ny fiarahana na an-tanenty na an-tanimbary satria tsotra ny Malagasy ary mifandefitra, manaja ny hafa amin’ny maha-samy hafa ny tsirairay. Mahay mifampitsiky avokoa eny an-tsena eny, fa tsy nahasakana ny hatsaram-po sy ny fahadiovam-po ao anatin’ny malagasy ny elanelana nateraky ny vintana, ka tao ny nanambe ary tao koa ny tsy manana. Tsy henatra foana akory no antony mahatonga ny tantsaha tsy sahy mandia ny varavaran’ny olona an-tanan-dehibe fa noho ny tahotra sao dia mandonto ny tranon’olona, vokatry ny toetra tia fanajana. Ireo mpanam-bola mila olona hikarakara sy handio ny fonenany, ny fananany dia mandray antanan-droa ny olona vonona hanao izany, izay mila miasa koa, hamelomana ny vady aman-janany. Mahay miara-monina, mifamelona, mifanampy, ary misy mihitsy aza mandraka ankehitriny dia lasa hifandovana ilay asa an-trano, vokatr’ilay fifankatiavana fa tsy “mpiasa” toy ny fieritreretan’ny saina lomorina, fa lasa olona ipetrahan’ny fitokisana, tompon-trano, reny ho an’ny ankizy madinika.

Fatra-panaja vahiny koa isika, hany ka tamana eto avokoa ny vahiny rehetra mahazo toerana eto ary mitady sy mikaroka izay fomba rehetra tsy hialana eto intsony na fara-faharatsiny izay mba hiverenana.

Isika dia efa nanana ny fomba fijery tao anatin’ny fizarazarana, ny “omby mahia ilaozan’ny maro”, “ny hazo avo no halan-drivotra”, kanefa koa tompon’ny “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very fihavanana”, ary taty aoriana aza dia mbola nampiana hoe “ NY fihavanana no taloha”. Tsy nisy zavatra afaka nampisaraka ny Malagasy, fa izany fahasamihafana rehetra izany dia nampantanjaka antsika, ary nampahery antsika, satria natao fomba fitaizana izany rehetra izany ka nanjary lasa fijery ka natao fampitandremana raha ratsy, ary famporisihina raha tsara.

Fa na mahantra na manankarena ny Malagasy, dia nahay avokoa ny fifanatrehana, ny figodogodonana mihazakazakazaka mamonjy ny havana maharary na dom-pahoriana. Ny “ory hava-mahatratra” ny “ory hava-manana” dia Malagasy avokoa izany, fa tsy nanakana velively ilay fiaraha-monina “alao mora” sy ny “teny ierana”.

Ny zava-misy ankehitriny dia indrisy, fa tsy manana intsony na ny ratsy na ny tsara izay naha-malagasy ny Malagasy ny maro, fa lasa saribakoly sy lasa solosaina ampiasain’ny vahiny mba hametrahana ny fomba rehetra iarovana ny tombontsoan’ny vahiny irery ihany. Omena ny fampianarana ny olona izay heverina sy hatokisana fa hiaro ny fenitra rehetra miaro ny tombontsoam-panjanahan-tany, ny fiarovana ny didy jadona ankolaka apetraky ny vahiny, toy ny fampindramam-bola tsy mitondra vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana fa vola ho entina itaizana ny vahoaka hijanona amin’ny fiakinan-doha, omena kely, tambazana kely, fa tsy vola indramina hampandroso, fa ny fandrosoana marina dia efa voafaritra sy voatsinjara ny olona na orinasa izarana vola hampandroso azy , fa ny maro dia ajanona eo amin’ny fetran’ny asa misolo sakafo, fanomezana fitsaboana tsotsotra, vaksiny tsotsotra, fianarana tsotsotra fa tsy mihoatra amin’izay.

Ny fiaraha-miasa amin’ireto mpamatsy vola mahazatra dia sehatra mampanjaka ny fizarazaran’ny Malagasy tsy mitovy, samy hafa fiteny ,samy hafa fijery, ary manome ny pitipitika kely ho an’ny maro fa ny tombontsoa lehibe kosa dia ho an’ny mpitondra mahafatra-po sy ny manodidina azy mahavita ny iraka ampanaovina azy izay sady misy vahiny no misy malagasy.

Fanampiana tsy mahavonjy ary tsy hita izay vita, fahantrana mihoam-pampana izao no vokatr’izany fiaraha-miasa izany. Fa nangalatra fotsiny ve ny mpitondra? Hay afaka mangalatra? Hay mpangalatra fotsiny ny mpitondra tao? Hay mpangalatra avokoa ny olona nahatokisan’ny mpanome vola?

Hitantsika fa betsaka irony sehatr’asa misahana ny fahasalamana eto Madagasikara, ny fampianarana, ny momba ny fizarana sakafo, fa tahaky ny hamaroan’izy ireny koa no hamaroan’ny olona marary, maty tsy voatsabo, potika nify, maty am-piterahana, ny zaza tsy mianatra, kanefa dia ny vahiny nanapa-kevitra fa 80% ny fanampiana omeny ny fampianarana, ny tsy fahaiza-manoratra, ny hanoanana, ny aretina maro samy hafa vokatry ny fitosaky ny sakafo tsy ara-pahasalamana.

Ankehitriny koa aza moa dia efa maro ny sehatra miasa hoa n’ny toekarena, ho an’ny mpanao asa Tanana, mpiaro tontolo iainana ka tahak’izay ihany koa ny hamaroan’ny mpanao asa Tanana mahantra, eo an’ivon’ny “varotra ara-drariny”, ny hitaran’ny ala potika, ny singa ringana maro samy hafa, na biby na zavamaniry, izay mahabe asa tokoa ireny fivondronan’ny mpanao asa soa mpiaro tontolo iainana ireny izay ny vahiny avokoa no mandidy sy manapaka ao, fa sarin’olona sy vongan’olona ihany ny Malagasy hitanao ao.

Tsy mahagaga ny zava-misy satria izay ilay fanjanahana, izay ilay politika’ny fanjanahana.

Hatramin’izao aloha dia tsy nahasoa antsika ny fiasa rehetra niarahana tamin’ny vahiny. Ny vahiny ve no ratsy sa isika no manaiky lembenana? Ny vahiny no mandidy sy manapaka amin’ny “mety” hijerena izay maika sy tokony hatao eto.Fa satria isika ve tsy mahay? Mahantra? Voavidy vola? Mila miera amin’ny Vazaha? Satria tompony mangataka atiny!

Midi_trosa mba hihahahantra ve …toa haintsika io…ary dia io no arovan’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana Malagasy, fiarovana io fitsipika maro isan-karazany miaro ny tombontsoan’ny vahiny.

Vola hindramina sy vola homena handehanan’ny fitantanana fa tsy ny asa ilaina, toy ny fanomezana asa sy karama mpiasa avy any ivelany, toy ny fividianana sy fikojakojana ny fiara, ny fiantohana ny hotely, ny atrik’asa, haintsika io, fa ny asa mbola ho dinihina ny hanantanetrahana an’izany! Mbola sarotra be izany, tsy hainao izany, tsy hainao ny fepetra sy ny fitsipika….Indrisy.

Raha vola omena fotsiny, mbola mety eken’ny saina hoe ny tompony no manome ny fitsipika fa na dia ny vola indramina aza dia mbola ny vahiny koa no mibaiko ny mpindrana!

Folo tapitrisa ny isan’ny tapakila voavarotry ny Rova Travel Tours teo amin’ny zotra Antananarivo- Maorisy-bangkok-Antananarivo ny taona 2009….mandeha sy miroborobo ny asa…ka inona no ho lazainareo?

Tapaka ny 70% ny fanampiana avy any ivelany, mahantra ny vahoaka, fa nandroso ve ny vahoaka taloha?

Notapahin’ny avy any ivelany ny fiaraha-miasa ara-toe-karena ngeza nisy teto dia ny AGOA, sahirana ny olona, fa nahoana no miasa foana ny hafa? Mahita fomba foana ny vahiny hiasan’ny COLAS! Hiodinan’ny BFV, BNI, BMOI, vola avy aiza? Vola avy amin’ny fifanarahana ara-barotra sy fanampiana avy any aminy ihany! Marina fa tsy mitovy ny AGOA sy ny fifanarahana mifehy ireny orinasa tsotra ireny, izay fehezin’ny lalana velona eto an-toerana, fa rehefa ny volany no betsaka miodina ao dia mety ny hitohizany, fa rehefa ny Malagasy sy ny tatsinanana no tompom-bola miodina betsaka ao, toy ny AGOA, dia tapahina!

Tsy manan-ko hanina intsony ny vahoaka, iza moa ilay vahoaka?Mahantra ny vahoaka, iza izay vahoaka izay? Ilay vahoaka dia ilay malagasy maro, samy hafa, ao ireo 80% tsy mandray mihoatry ny 100 dolara isam-bolama, ilay Malagasy mpiaro ny “tanan-kavia sy havanana izay didia-maharary” ilay mifoha ny maraina, mamoha ny zazavavy sy zazalahy maka rano ikarakarakarana ny kafe mtsatsotsatso sy ny sosoa maraina, ireo Malagasymaro , mba tsy hihazakazahana mafy loatra ny maraina, mandeha mivoaka ny trano, mitondra zinga na tavoahangy plastika atsasaky ny litatra asiana kafe misy ronono, ary mividy mofo gasy ho atao sakafo maraina, sitrany ahay tsy mividy saribao, tsy mandrehitr’afo, tsy mividy siramamy, ireo olona marobe ireo, izay tsy maintsy hararaotina ny fomba rehetra sy ny tranga rehetra, mba hampahantrana azy ireo mandrakizay! Ary izay foana no natao teto, fa na dia ny 10% n’ireo 80% ireo fotsiny aza nefa no miarina, na tafarina dia matanjaka ny firenena!Ilay vahoaka nampiasaina sy nahodikodina arak’izay filana notadiavin’ny mpitondra nifandimby rehetra, notezaina mba hahantra hatrany tsy hibanjina ho avy matotra, fa hitady ny hanin-ko hanina anio ihany.

Ireo marobe sandry iankinan’ny firenena, ireo aina izay sakely mihoajoro novelezina, nohalemena ho lasa sandry mpilanja ilay angandy sola, miasa ny tany, sady efa tery no tsy mahavokatra intsony, satria nohajambaina tsy hahita intsony fa mila miezaka, mila mitady sy mifindra toerana mba hahabe ny tany hovolena, mba hitombo koa ny vokatra.

Ao koa ireo Malagasy vahoaka ihany koa, nomena fahafahana hianatra, handranto fianarana, hahay ny fitsipika mifehy ny fomba fitantanana avy any ivelany, tsy namana intsony, fa efa sariolona mpiaro ny vahiny hamotika ny firenena.

Ireo rehetra ireo no atao hoe vahoaka Malagasy ireo rehetra ireo no lasa mpifahavalo, nozarazaraina, natokotoko hifankahala.Ireo rehetra ireo no anefa isika mianakavy.

Nopotehina avokoa izay rehetra sahy, nanandratra ny marina, namaky ny tsy mety.

Fa ny malagasy rehetra ve dia ratsy avokoa ka nanaiky izany rehetra izany? Sa natao avokoa izay rehetra tsy nitsanganany mba hampijoro izany faharatsiana, fahavoazana, fahalovana rehetra izany? Dia ny fitsentsefana, ny fifamotehina, ny lainga tsara lahatra, ny fitaka feno loza, ny fanjakan’ny adilahy politika, ny ady seza, ny lonilony, ny valifaty?

Samy manana ny fahalemeny nefa ny firenena rehetra, kanefa afaka niary ho an’ny fampandrosoana maharitra sy marina izy ireny. Nahoana isika no mirefarefa, mikorosy fahana. Malaza ho anisan’ny manam-pahaizana nefa ny Malagasy na eto afrika na any Eoropa na any Azia, na any ZAmerika. Fahaizana inona izy io? Fa na eto na ivelany izany dia fahaizana ahitan-doza avokoa ve ho an’ny firenena Malagasy no nomena ny zanany?

Fa nankaiza ny olomanga Malagasy, ny fahendrena malagasy? Tsy manam-bola? Feno tahotra? Feno alahelo? Tototry ny fankahalana ve? Nankaiza ny fo tia sy nitempo ho an’ny tanindrazana? Efa nosoloina fitiavan-tena ve? Sa efa afa-po amin’ny fahafinaretana azo amin’ny vola be, vidin-dra, vidim-pitiavana, vidim-panahy?

Nahoana no tsy manaiky mifamela, mifanantona isika malagasy , fa aviraviran’ny amboa dia amin’ny foto-kevitra vahiny, vahiny tsy mahalala ny foto-pisainana Malagasy, fa dia izay soratra nosoratan’ny mpanoratra mpanjanan-tany no fantany, izy no handidy, hanapaka, hanohy ny fanjanahantany eto Madagasikara?

Tsy Malagasy no fahavalontsika, fa ny toetsaina feno fahalovana, izay napetraky ny fanjanahantany teto.

Niditra teto ny anglisy, nanolo azy ny frantsay, ary saika niditra koa ny amerikana, fa noho ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena tavaratra, izay mahay mifandamina, mba hitandrovana ny tombontsoany, iombonany, dia ny frantsay no navela hitoetra eto.

Mafy ny ady, ary sarotra, satria mbola ady sy tolona mitaky ny fahaleovantena tanteraka no adintsika Malagasy.

Maratra ny fo, reraka ny aina, fa ny saina sy ny fanahy tsy ho lavo! Hijoro mandrakariva isika hiaro ny firaisan-kinantsika, hiaro ny soa toavina Malagasy, dia ny fanajana ny ray aman-dreny, ny fikolokoloina ny fihavanana (ny mpanjaka no niantoka ny fanajana ny fihavanana ary dia fanamelohana ho faty no sazy azon’izay olona nitady hanimba azy).

Matoa ity tany ity, tsy nizara ho firenena maro samy hafa dia satria efa izay no anjarantsika, firenena iray I Madagasikara. Be ny alahelo, be ny tsy rariny, sy ny tsy ara-dalana niseho sy nihatra. Mila mifamela isika, mila mihavana.

Raiso ny adidinao, fa tsy olona voaozona akory ny Malagasy, fa mila manaiky ny hivoatra. Tsy afaka ny hisaraka amin’ny firenena hafa isika. Tsy ny fifanenjehana, sy ny fifandroahana no vahaolana, fa mila ny hafa isika, izy ireo koa mila antsika, raha tsy izany efa navelany irery teto isika. Fa eo no ilantsika Malagasy ilay firaisan-kina, ilay firaisan-tsaina, miasa mba ho tonga amin’ilay tanjona iray dia ny fahafahan’I Madagasikara amin’ny ziogan’ny fahantrana!

Mila mametraka ny fitsipika miaro ny tombontsoa ho an’I Madagasikara isika ,mila mametraka ny fomba fitantanana Malagasy, ataon’ny Malagasy, ho an’ny Malagasy.

Isika no mahalala ny momba antsika, na dia tsy misy aza ny raiki-tsoratra mazava momba ny tantarantsika, isika mahalala ny tantarantsika avy amin’ny lovantsofina maro, ny toetsika, ny fombantsika. Isika no mahatsapa izay maika sy ilaina ho antsika.

Aza manaiky ho ampiadiana noho ny fahamaizinan’ny hafa, aza manaiky ho zarazaraina mba hanjakan’ny hafa. Antsika Madagasikara, tsy hisaraka amin’izao tontolo izao isika, fa tsy ny hafa koa no hametraka ny fiarahantsika amin’izao tontolo izao eto amin’ny tanintsika.

Reseo ny fahalovana, mijoroa ary ho loloavina an-tampon’ny loha ny Firaisam-pirenena.

Nina Razafi.

Tag(s) : ‪#‎Réflexions‬

Partager cet article